4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay va re! - Henri ratsimbazafy

'Zaho jambam-pitia
nahare : "matokia"
tsy nanahy, tonga dia
tena tia !

Sambatsambatra ery
fa nentanim-pitia
ka nikalo, nandihy,
faly ery

Nantenaiko fa hoe
ny mandefitra anie
mampiray ny fo
be kokoa

noheveriko fa
zava-masina ka
fato-maty ho doria
ny fitia


Ref.
HAY VA RE ny sentosento
tsy maneho ny ati-fo
feno fitaka ny eto
mahagaga tokoa

HAY VA RE ny tomany
teny amin'ny endrikao
dona-tsetroka ihany
tsy tonga tam'izao.

HAY VA RE ka mety lany
'rony tsiron'ny fitia,
miovaova ny eto an-tany
tsy misy ny doria.

Partager hay va re!

Commenter hay va re!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite